Hatramin'ny faha 14 taona aho no nihira sy namoron-kira. Nanangana ny tarika First Truth sy Rai'ian aho tamin'izany ary pop rock no tena niangalianay.
Ny tantaram-pitiavana hatrany no tantaraiko amin'ny mozika ataoko. Gadona Soul Pop/R&B/Funk no tena ataoko amin'izao.
Taty amin'ny faha 19 taonany aho no nandeha irery ary namoahako ny single-ko voalohany: Fahatsiarovana. Nivoaka tsikelikely taty aoriana ireo hira nahafantarana ahy: Andao hihaona, papango, Miverena, Aza mangarika, omeo fijery mamy, Revin-gadra, Fitia tsotra izao, Raozy.
Ny septambra 2023 no nivoaka ny rakikirany voalohany mitondra ny lohateny hoe : Tsy revin-gadra intsony. Nanao tournée tany Madagasikara sy teto Frantsa aho ny septambra 2023 hatramin'ny novambra 2023 tamin'ny namoahana an'io album io.
Nominé tamin'ny RDJ Mozika ireto hira ireto: Revin-gadra (2020), Raozy (2024), Feno loko sy angamba akia (2025), Sarimihetsika sy Miandry eto aho (2026).
Namoaka EP aho ny Septambra 2025.
Manomana ny vokatra manaraka!
Johasina
I Sarimihetsika sy Miandry eto aho no nominé RDJ Mozika Awards 2025!! Fier be aho, tena fier be!
Nanao izay tratrako aho mba hanome ny waou hatrany ! Faly foana aho mizara!
Fa raha atao ny kajy, glady be daholo ny hira rehetra ao amin'ny sokajy misy ahy dia mety foana izay fidianao !
Ato amin'ny www.rdj.mg no mandeha dia avy eo manisy ny mail anao, dia mifidy !
Zo anao ny mifidy haha
5 months ago | [YT] | 2
View 0 replies
Johasina
HO TRATRIN'NY 2027 INDRAY ARY OOO !!!!😉🔥
TENA MISY OA NY MIRAKILA FA MINOA!
Ho tanteraka daholo izay irinao sy izay hahasoa anao amin'ito taona ito aloha!!😉
Anisan'ny nofiko amin'ito 2026 ito dia:
✅ ny mba hamoahako vokatra maromaro vitsivitsy indray 🎹🎤 ahafahanao mandihy, mankafy fiainana, mampiakatra moral!💥 Hanandrana Concept vaovao! Araho ny pejy! ☝️clique sur suivre
✅Mba faniriako koa zany hitety an'i Madagasikara kokoa amin'ito taona ito! Hanaraka ny ataon'ny @Blaogy Voyage 💪
✅Havitrika kokoa amin'ny fanompoana an'i Tompo!
Ary ny anao? Inona ireo nofinofinao ?
#2026 #Theyear #Taonantsikaity #milayianaooa
7 months ago | [YT] | 4
View 2 replies
Johasina
Ianao ve mahafantatra an'i Aina Maharavo? Latsaka foana aho mahita ny zavatra zarainy! Andao isika hiara hifaly hiaraka aminy koa amin'ilay LIVE ataontsika amin'ny septambra!
11 months ago | [YT] | 5
View 0 replies
Johasina
📣📣Feno loko 🎨 be indray ny ❤️ fa vita ihany ilay EP, namorona aho, nikaroka aho, notantaraiko an-kira ny hitako, ny henoko ka hihaona indray isika! 🎉
HAMPIHAINA ireo hira rehetra nahafantaranao ahy sy ireo hira VAOVAO BE isika rehetra! 🔥raha sitrapon'ny ao Ambony!
AZA MATORY REHEFA MANOFY !
📆ASABOTSY 6 SEPTAMBRA 2025 🎊
📍IVOKOLO Analakely - Natao an'ilay toerana mora ahatongavana sy mora hodiana😉
🕑 14h no atombotsika ilay fety! Ho faranana rehefa samy afa-po daholo fa na izany aza tsisy mody alina izany isika ka☀
🎫 Ato amin'ny www.ticketplace.io/ ny tapakila
📌Ito ny KÔDY PROMO: HOAVY
Ho an'ireo 30 voalohany mampiditra an'io dia lasa 5 000 AR ny fidirana! Manan-kery hatramin'ny Zoma 25 Jolay io CODE io! 🔥☀
Misaotra betsaka an'ireo mpanohana! Ao RDJ 96.6 FM tompon'ny onjam-peo sy Ivenco tompon'ny Jiro sy Sono ary Moozik izay hamoaka voalohany ireo hira rehetra ao @ EP! ⚡
Sary: Patrick Razanatsimba
Design: @Falihery Jonah
Misaotra indrindrindrindra anareo mihaino sy mankafy ny zavatra ataoko !!!!🔥
#livemusic #SoulPOP #Malagasyartist #Moozik #IVOKOLO #angambakiaEP
1 year ago | [YT] | 7
View 0 replies
Johasina
Ireo SARIMIHETSIKA ROMANTIKA ireo no anisan'ny tena nanamarika ahy manokana, mitaditady hisy rano masira foana ny masoko📺 Ilay nisy Alzemera iny tena gravy be 😆, na mbola kely ary aho tamin'iny dia tsaroko hoe mafy izy zany
Iza amin'ireo no tena nanamarika anao? 👊🔥 Misy sarimihetsika iray tsy dia mitovy lohahevitra amin'ny hafa, iza ary o ?
Ampio ao amin'ny "commentaires" ao ny Sarimihtesika mitovy lohahevitra amin'ireo dia hamoaka afisy manaraka hafa indray aho 😉
✏️A/C: Johasina
🥁Aponga maro anaka: Maminiavo R-e Zazah
🎸Gitara beso: @Tsitohaina Ratsimba
🎸Gitara manaratra: @Manitra Rabarisoa
🎛Toerana nandraisam-peo sy MIX/MASTERING: @Miora Rabarisoa
🎷Sakisofonina: @Andoniaina Hasina RAKOTOARIMALALA
🤜Nanoro hevitra: Tahinavibe Ramahefason
✏️Design Sary: @Falihery Jonah sy Johasina
Ho avy tsy ho ela! Aza adino ny mis'abônina Youtube raha tia haheno voalohany! 😉
#Vazovaovao #EPangambaakia #Hoavy #Miandrykelydialahykely #SoulJazz
1 year ago | [YT] | 8
View 0 replies
Johasina
📍MAKING OFF 1: TORINAZY "TSY FANTANY INTSONY"
Ny Talata 13 Mey 2025 ny fotoanantsika eto amin'ny Facebook sy Youtube 🔥
🇲🇬 19:00 🇫🇷 18:00 🇨🇦 12:00 (Montreal io a) 🇺🇸 12:00 (New York io a)
__________________________________________________________
Ny tao @ amin'ny fandaharana:
👉 Johasina be tatasika sy be anihany dia mandany fotoana 😂
👉 May ny Rova ! 🚒🚨 Fa hay kay ny Andralanitra aty an-dafy no may (centre de tri des déchets tao @ 17ème akaikin'ny tribonaly)
👉 Voalohany teo @ fiainanay izany manao torinazy anaty metro izany! Tsy mora satria be dia be ny tampoka tsy maha lehilahy dia maha very fotoana be 😅
Ny olona rahateo sady liana no sorena, tsy hay intsony😂
___________________________________________________________________
Raha tena kinga sy malina ianao dia mety ahoana ary ny tantaran'ito oronantsary ito🤔? Lazalazao
👇👇👇👇
#Soulgasy #newsong #newclipvideo🎬 #makingoff
1 year ago | [YT] | 3
View 0 replies
Johasina
📌13.05.2025
On est 745 abonnés sur Youtube les amis !🔥
Si on atteint les 1 000, je lâche le son sans attendre le 13.05.2025😉 A vos clics!
Tu connais, favori be tsika en marketing, toussa toussa mais blague à part, ça aiderait énormément mes morceaux à trouver son public 🔥
J'ai l'honneur de vous dévoiler l'image officielle du nouveau son et comme dab, on rend à césar ce qui appartient à Daniel 😆 (On est d'accord, il est bon cet artiste 😉):
Direction artistique photographie & acting: @Mijoro Razafinjato & @alicia_rasa
Photographie&montage: @razanatsimba.photography & @Falihery Jonah
A/C & Mihira & feo lafika : Johasina
Batterie: Finoana Aina
Guitare: Manitra RABARISOA
Clavier: Tsanta RANDRIAMIHAJASOA
Beat maker: doxa_randria
Studio: @MiouSonor & JPROD25
Mixage & Mastering: doxa_randria sy Poum
Caméra & Etalonnage & Montage: Jules Navarro
Logistique : Voary Fy
#neosoul #soulgasy #HiraVaovao2025 #feelingvaovao
1 year ago | [YT] | 3
View 0 replies
Johasina
Mandimandina be ny molotro e😆 Sa aona?
🎥Torinazy Andro 1️⃣ (Ahoana moa ny miteny tournage @ teny gasy? Aleo hiverina amin'izay ny fanagasiana eh)
Izahay dimy indray no ekipa tamin'ito andro voalohany ito!👊 Ho fantatrareo miandalana eto hoe iza no iza fa dia afa-po:"Tsisy ampiana, tsisy analàna fa eran'ny kapoka ampy tsara" 💥
Fa hono oa, inona ny rakitsariko tena nanamarika anao indrindra hatreto ? Dia inona no nahatonga azy nanamarika anao?
#Dokankira #Hiravaovao #Soulgasy #Feelingvaovao #Maninona_hoe_ny_ex_aaa
1 year ago | [YT] | 4
View 0 replies
Johasina
Izao ny endriko rehefa nahita hoe masaka ny nahandro ka azo aroso amin'ny fianakaviamben'ny mpankafy mozika Soul amin'izay!
Matoky aho fa hanampy ahy ianao hizara an'izay sakafo matsiro be izay atsihoatsy!
1 year ago | [YT] | 6
View 0 replies
Johasina
Fantatrao niara-dia tamiko hatrizay angamba hoe inona no anton'izao fiovan'ny sariko amin'ny tambazotra izao
Six be an'i @Patrick Razanatsimba!
Aza adino ny misabônina sy manisy an'ilay lakolosy mba ho an'isan'ny voalohany hahita an'ireo ....
1 year ago | [YT] | 7
View 0 replies
Load more